Ho antsika Malagasy rehetra, sy ireo vondrona sy fikambanana
Transcript
Ho antsika Malagasy rehetra, sy ireo vondrona sy fikambanana
Ho antsika Malagasy rehetra, sy ireo vondrona sy fikambanana rehetra misy eto Italia Misy zaza iray mitondra ny anarana hoe Fitahintsoa Joséphine, 17 volana, mipetraka any Fianarantsoa marary voan'ny neuroblastoma, mila fitsaboana maika sy goavana ary haingana dia haingana satria mihamahazo vahana andro aman'alina ilay aretina mikiky azy. Tsy mbola nahita association afaka hiantsoroka ny fitsaboana azy izahay hatramin'zao fa olona iray filohan'ny mpanao gazety Sakaizan'ny Kilonga Sud any Fianarantsoa no nanoratra taminay tao amin'ny site nangata-bonjy ka nahatonga anay telo mianadahy nanao zay vitanay miaraka amin'ireo namana mianadahy ao Antananarivo izay efa niaraka nitolona taminay hatrizay tamin'ireo zaza vitsivitsy nomenay sy mbola omenay tànana. Omaly, vokatry ny fifanampiana avy amin'ireo malala-tanana vitsivitsy, dia efa tafakatra ao Antananarivo i Fitahintsoa Joséphine sy ny reniny miaraka amin'i Mme Rondro izay assistante sociale miasa ao amin'ny commune de Fianarantsoa. Io Mme Rondro io no isan'ny niantra azy mianakavy kely tamin'ny fividianana ny fanafody hatrizay tany Fianarantsoa niaraka tamin' andriamatoa François mpanao gazety. Vita soa amantsara omaly ary ny scanner ary eo am-piandrasana ny valiny izahay izao, ary eo am-pitadiavana dokotera afaka handray an-tanana ny momba ny fitsaboana an'i Joséphine. Kajy tsotsotra araka ny traikefa azo hatreto no nataonay ka vola tokony ho 9 Millions de FMG eo ho eo no ilaina hiatrehana izany (fandidiana, fanafody isan-karazany, thérapie aorian'ny fandidiana asa na chimio na inona no hiandry azy fa ho hita izay holazain'ny mpitsabo). Noho izany dia nanapa-kevitra izahay telo mianadahy hanao antso avo ho antsika eto Italia ihany koa hanohana anay amin'ny famonjena ny ain'i Joséphine kely. Efa nanomboka afak'omaly no niara-nientana ny namana vitsivitsy (na tao amin'ny facebook na tamin'ny email) nanolotra izay zaka ka inoanay fa tsy ho diso anjara amin'ny fanohanana koa isika. Dia isaorana mialoha sahady amin'izay fanampiana mety ho vitanareo fa na dia kely aza no mitambatambatra dia mahavita zavatra goavana any Madagasikara izany. Ireto ny fomba azontsika eto Italia atao raha handefa ny fanampiana: - Mandeha any amin'ny Poste dia manao ricarica postepay (tenenina ao amin'ny paositra hoe hanao ricarica Postepay) Numero di Carta: 4023600470492176 Intestazione: RAKOTOARISOA HERINIAINA EUGENE Azonareo andefasana email na sms manokana i Hery (3387442412) milaza ny anarana. - Atolotra tànana any amin'i Rondro (3298457783) na Andry (3471432921) na Hery (3387442412) - Amin'ny alalan'ny Carte Bancaire na Postepay- Afaka mandefa email aty aminay dia alefanay ny toerana hanaovana izany. Dia mamerina ny fisaorana mitafotafo ho antsika rehetra fa zava-dehibe tokoa ny vonjy aina tahaka izao. Ary mba miangavy antsika ihany koa mba hitondra am-bavaka ny fahasalaman'i Joséphine sy ireo izay mikarakaraka azy. Indro alefanay miaraka amin'ity hafatra ity ny sary telo misy an'i Joséphine kely. Rondro, Andry ary Hery www.malagasy.it
Documenti analoghi
casatenovo madagascar
arde ed avverrà nel pieno rispetto dei principi di riservatezza, correttezza, liceità e trasparenza, anche mediante l’ausilio di mezzi elettronici
e/o automatizzati. I dati raccolti potranno essere...
numero 2 - Piccole Serve del Sacro Cuore per gli Ammalati Poveri
GARANZIA DI RISERVATEZZA: l’Editore garantisce, ai sensi dell’art. 13 del d.lgs. 196/2003 in materia di protezione dati personali, che i
dati relativi agli Abbonati vengono trattati nel rispetto de...